Loading

Slzii.com Search

Search (News)

Korontandrontana sy malotoloto

Korontandrontana sy malotoloto
L'express french entertainment top

Nandritra ny telon-jato taona teo ho eo dia ny omby avy eto Madagasikara no namatsy ny nosy Maurice (hatramin’ny 1971) sy La Réunion. Omby mitsangana an-tongotra efatra ka afaka mandeha mba hanamora ny fitaterana azy sady tsy manasaro-draharaha ny fikarakarana ny henany. Tamin’ny taona 1997 dia naaton’ny Vondrona Europeana ny fanafarana hen’omby avy aty Madagasikara noho ny «absence d’un système de contrôle, de traçabilité et non-respect des normes d’hygiène», tsy fisian’ny fanaraha-maso, tsy voatsongo dia ireo omby ka tsy fanta-pihaviana, tsy manaraka ny fepetra ara-pahadiovana. Isotry, Anosipatrana («raharaha lehibe ary fomba sy voatandrina fatratra eo amoron’Ikopa», hoy ny Firaketana tamin’ny febroary 1942) : efa toerana famonoan’omby avokoa ireo teto an-dRenivohitra. Ny mbola tratrako, tany amin’ny taona 1980 tany ho any, dia ilay famonoana omby tetsy Ambohitrarahaba. Tsaroako tamin’izany ny tabataba sy horakoraka ary fibahanan-dalana. Ny omby savilivilihin’ny mpamono azy, tsy fantatra intsony iza no maimbo rà kokoa ny omby ho faty sa ny olona entanina habibiana. Io sary korontandrontana sy mitabataba ary malotoloto io no mbola hitako, efapolo taona aty aoriana, etsy amin’ny «abattoir» ankehitriny, amin’ny vahilava Ankadindratombo mihazo ny by-bass sy Alasora. Korontandrontana sy malotoloto : tsy eny amin’ny omby ihany no mifanehatra amin’ireo. Etsy ambonin’ny «tunnel» Ambohidahy, izay angamba mbola tsy nahitana Ben’ny Tanàn’Antananarivo niserana, toa tsy mety madio mihitsy raha vao misy «kibo-an-tsena» : poti-bary, lavenona «saribao», solitika menaka. Misy miezaka mba mikarakara sy manadio ihany ny toerana saingy ny mpampiasa isan’andro mihitsy no voretra fomba tsy ampy fitaizana. Heno izao fa mitaraina ny mpampiasa ny «gare routière» etsy Ampasampito. Ny toerana tahaka ireny dia ny fitokanana azy no ela fa tsy maintsy korontandrontana sy malotoloto no lahatra-vintana-anjara raha mbola izao no fomba amam-panaon’ny Gasy. Izay korontandrontana sy malotoloto hita teny amin’ny «Fasan’ny Karana», hiandrasana andro fotsiny ny fifindrany eny Amoronankona ambanin’Ambohipeno. Dia ho korontandrontana sy malotoloto. Isika moa efa manentsin’orona amin’ny mantsina. Ho zatra an’izany ve ireto mpizaha-tany zatra ny dio sy lamina ary rindra any andafin’ny riaka. Mbola mba olona ihany fa tsy efa biby ka sanatria ho voasarika ary ho tamana amin’ny korontandrontana sy malotoloto. Nasolo-Valiavo Andriamihaja
2026-09-30 02:35:00

What are you doing?

0.020560026168823


News
L'express

Latest News and Headlines
Nandritra ny telon-jato taona teo ho eo dia ny omby avy eto Madagasikara no namatsy ny nosy Maurice (hatramin’ny 1971) sy La Réunion. Omby m...
News